Alatsinainy 15 Septambra 2025, noraisin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, tao amin'ny tranom-bokin'ny Minisitera ao Faravohitra, ireo mpikambana ao amin’ny Kômity Iraisan’ny Minisitera misahana ny Fanoratana ny Tatitr’i Madagasikara momba ny Zon’Olombelona, izay notarihan’Andriamatoa RAKOTOMALALA Fidimanatsoa Andrianirina Liva, "Inspecteur Général de l’Assemblée Nationale".
Nandritra ny fihaonana dia naseho ny anjara-toerana sy ny andraikitry ny Kômity tsirairay, ary narahina dinik'asa avy hatrany ny fotoana, ka isan'ireo asa maika nodinihana, ny fanoratana ny tatitra faharoa momba ny fampiharana ny Sata Afrikanina mikasika ny Zon’ny Ankizy, ny fandrafetana ny drafitra fampiharana ireo fanoroana 204 neken’i Madagasikara nandritra ny Examen Périodique Universel (EPU).
Ankoatr'izay dia noresahana ihany koa ny vinavina hamitana ireo tatitra momba ny zon’ny vehivavy, ny zon’ny mpiasa mpifindra monina, ny ady amin’ny fanavakavahana ara-bolokoditra, ny zon’ny olona manana fahasembanana, ny zo ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolotoraly, ary ny ady amin’ny fampijaliana. Tsy adino ihany koa ny namaritra ny vinavin’asa atao hatramin’ny desambra 2025.
Isan'ny andraikitr'izy ireo ny manao ny fanaraha-maso ny fampiharana ny lalàna iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona, ary mandrindra sy manoratra ireo tatitra rehetra momba ny zon’olombelona ho an’ny Firenena Mikambana sy ny Firaisambe Afrikanina.
Nandritra izany dia nanamafy Andriamatoa Minisitra, amin’ny maha-mpitarika ny Kômity azy, fa hatsaraina ny fomba fiasan’ny Kômity mba ahazoana vokatra tsara kokoa amin’ny fiarovana sy fampiroboroboana ny zon’olombelona. Tsiahiviny fa noho ny asan’ity rafitra ity no nahazoan’i Madagasikara fankasitrahana nandritra ny EPU tamin’ny volana janoary sy jona 2025.
Marihana fa ny taona 2003 no niorina ny Kômity izay nohavaozina ny 2017. Miisa 54 ireo mpikambana ka ahitana solontena avy amin’ny Antenimierandoholona, ny Antenimierampirenena, ireo minisitera voakasika ary ny fiarahamonim-pirenena.