11 août 2025
Androany faha 11 ny volana Aogositra 2025 dia notanterahana teto amin’ny fonjaben’Antanimora ny fananganan-tsaina, izay notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, niaraka tamin’ireo lehiben’ny Fitsarana sy ireo mpiara-miasa rehetra.
Nandritra ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Minisitra, dia niarahaba manokana ny vehivavy Mpandraharahan’ny fonja sy ny vehivavy vadin’ny Mpandraharahan’ny Fonja (AFAP), nahavita ny zaikabe natao tany Toamasina ny tenany. Ny lohahevitra nentin’izy ireo moa dia ny hoe « Vehivavy Miara-Mijoro, Miara-Manova, Miara-Mandroso ».
Fankasitrahana feno ihany koa no natolotra ho an-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa izay nanolotra mari-pankasitrahana na « certificat » ho an’ireo vehivavy AFAP avy amin’ny faritra Atsinanana, izay nanaraka fiofanana ; izao vokatra izao dia fiaraha-miasa lalim-paka eo amin’ny Minisitera roa tonta, ho fampivelarana ny maha-olona fa eo ihany koa ny fampivelarana ny talentan’ny vehivavy. Nanome toky moa Ramatoa Minisitra fa hiara-hiasa mandrakariva ny Minisitera roa tonta ary izany tetikasa izany dia ho ezahina ho atao manerana an’i Madagasikara.
Teo amin’ny resaka asa fanadiovana kosa, izay nataon’ny fianakaviamben’ny Fitsarana, dia afaka mirehareha ny mpiara-miasa rehetra fa miray saina, miray hina ary tia fahadiovana.
Manodidina ny fanomanana ny fandraisana ny fivoriana an-tampon’ny SADC dia nanentana Andriamatoa Minisitra ny amin’ny fanamafisana ny fiambenana ny fonja, indrindra ny eto amin’ny faritra Analamanga, izay hita fa efa misy fivoarana kely ankehitriny.
Tena reharehantsika Malagasy tokoa ny handraisantsika izao fivoriana an-tampon’ny SADC izao, satria ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Andry RAJOELINA, no handray ny fitantanana ho Filohan’ny vondrona SADC, izay mandritra ny herintaona, ka manomboka ny alahady 17 Aogositra 2025 ho avy izao ; ary ao anatin’izany ihany koa dia ny Mpitahiry ny Fitombokasem- panjakana, Minisitry ny Fitsarana Malagasy no Filoha hitarika ny fivorian’ny Minisitry ny Fitsarana rehetra (Filohan’ny Filan-kevitra) ao anatin’ny vondrona SADC mandritra izany herintaona izany.
Mahakasika ny fifaninanana ao amin’ny Sekoly Mampiofana Mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG), dia anio sy rahampitso no hifarana ny fanadinana, handraisana mpirakidraharaha miisa 390. Tsy mikely soroka ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fifaninanana ao anatin’ny fahadiovana, fahamarinana, fahitsiana ary lavitry ny kolikoly ; koa mampahery ny Tale Jeneralin’ny Sekoly ENMG amin’ny fandrindrana izany fifaninanana izany.
Taorian’izay dia nitohy avy hatrany tamin’ny fivorian’ny « STAFF », izay efa fanaon’Andriamatoa Ministra, ka notanterahana teto amin’ny Tranombokin’ny Minisitera teto Faravohitra ny fotoana.