Tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis , ny Mpitandrina MAILHOL Christian André Dieudonné, Filoha Mpanorina ny Fiangonana APOKALIPSY eto Madagasikara.

⭕Ankoatry ny fiarahabana sy fitrotroana ambavaka ny asa aman’andraikitra eo anivon’ny firenena dia niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Fiangonana APOKALIPSY ny dinika .

➡️Tsara ho marihana fa manampy ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fitsinjovana sy fitaizana ireo olona voatazona any am-ponja ny Fiangonana APOKALIPSY. Misitraka izany ohatra ny eny anivon’ny fonjan’ Antanimora sy Manjakandriana, Fonjabe eny Tsiafahy sy Imerintsiatosika.

➡️Notsindrian’Andriamatoa Minisitra fa ny andraikitrin’ny Fiangonana sy ny Fanjakana dia mifameno satria vahoaka iray no iantefan’ny asan’ny roa tonta ka samy tokony hanome ny tsara rehetra ho an’ny vahoaka malagasy amin’ny toerana izay misy ny tsirairay.

⭕Ny fandrindrana ny asa na dia maro aza ny antokom-pinoana dia antoka ho filaminan’ny firenena, anisan’ny tanjon’ny fiangonana moa ny fifankatiavan’ny olona rehetra.

Nanamafy Andriamatoa Minisitra fa ny Fonja dia toeram-panarenana ireo olona voatazona eny ihany koa. Misokatra sy mifandray amin’ny antokom-pivavahana rehetra arak’izany ny tenany.