Ao anatin’ny tamberin’andraikitry ny Fitsarana ara-bola ny manatanteraka ny Tatitra Ampahibemaso isam-paritra ka nanantontosa izany ihany koa ny Fitsarana momba ny Kaonty ao Toliara, ny alatsinainy 28 aprily 2025 lasa teo.
Izany no natao dia araka ny takian’ny lalàna sy ho fampahafantarana ny vahoaka ireo zava-misy amin’ny fitantanana sy fampiasana ny volam-bahoaka.
Tonga nanontrona sy nanome vonihahitra izany ny Talen’ny kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RABEARISOA Rochel izay nisolo-tena ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana. Nanatrika izany fotoana izany ihany koa ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana, ny Governoran’ny Faritra Anosy, ny Préfet an’ny Toliara sy ireo manamboninahitra maro sivily sy miaramila.
Anisan’ny lohahevitra nanaovana fitsirihina mikasika ny olan’ny fanaramaso ny Jono, ny vatsim-pianarana ny mpianatra, ny olan’ny famokarana herin’aratra, fa tsy latsa-danja amin’izany ny mikasika ny tsy fahampian-tsakafo ao amin’faritra Atsimo Andrefana.
Tao aorian’izay dia niroso avy hatrany tamin’ny fanentanana ireo tompon’andraikitra ifotony, toy ny Ben’ny Tanàna, ny mpanolotsaina ary mpitambola ao amin’ny kaominina momba ny fanajana ny didy aman-dalana mahakasika ny fitantanam-bolam-panjakana. Nifantoka indrindra amin’ny fanazavana momba ny andraikitry ny Fitsarana momba ny Kaonty sy Fitsarana ara-bola ary ihany koa ny Fitsarana misahana ny Ady atao amin’ny Fanjakana ary teo ihany koa ny fanazavana momba ny andraikitry ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly.
Nandritrin’ny famaranana ny fotoana dia nisy ny fifanakalozan-kevitra ary koa ny fandraisana ireo fangatahana sy hetahetan’ireo Ben’ny tanàna hanatsarana ny asa.