Ny 26 aprily 2025 dia nanantontosa Tatitra ampahibemaso momba ny fitsirihana ny fampiasana ireo volam-panjakana nataon’ny Fitsarana momba ny Kaonty ny Fitsarana ara-bola tao Fianarantsoa.
Anisany nisongandina tamin’izany ny momba ireo vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo ary koa ny fampiasana ny volam-bahoaka eny anivon’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa.
Nanatrika sy nisolotena ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitey ny Fitsarana ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitra, Andriamatoa RABEARISOA Rochel.
Nisy ihany koa ny fanentanana sy fampiofanana fohy ireo andraikitra sy lalàna mikasika ny fitantanana ho an’ny Ben’ny Tanàna, mpanolotsaina ary mpitambola ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony.
Tao anatin’izany no nanentanana ireo tompon’andraikitra ifotony momba ny fanajana ny didy aman-dalana mahakasika ny fitantanam-bolam-panjakana, ny fanazavana momba ny andraikitry ny fitsarana momba ny kaonty sy fitsarana ara-bola ary ihany koa ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana ary teo ihany koa ny fanazavana momba ny andraikitry ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly.
Ny namaranana ny fotoana dia fifanakalozan-kevitra ary koa fandraisana ireo fangatahana sy hetahetan’ireo Ben’ny tanàna hanatsarana ny asa.