
Ny 29 aprily 2025 dia nanantontosa Tatitra ampahibemaso momba ny fitsirihana ny fampiasana ireo volam-panjakana nataon’ny Fitsarana momba ny Kaonty ny Fitsarana ara-bola eto Antananarivo izay natao tao amin’ny Tranom-pokonolona Ambohidratrimo.
Nanatrika sy nisolo-tena ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, Ramatoa BELALAHY Hanitriniaina. Teo ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo.
Anisany nisongadina tamin’izany ny tsy fanarahana ny fitsipika napetraka momba ny fanaraha-maso sy fitantanana ireo fitaovam-panjakana, hita ihany koa fa manana trosa be ny kaominina ambanivohitra Ivato amin’ny resaka fikarakarana an’ireo mpiasa ao aminy. Tsikaritra koa fa tsy voarakitra ara-dalàna anaty bokim-pitantanana ao amin’ny kaominina ambanivohitra Talata Volonondry ohatra ny momba ireo omby. Betsaka arak’izany ny tolokevitra naroson’ny Fitsarana Ara-bola mba hanatsarana ny fitantanana mba hipetraka ny politikam-panjakana, fanjakana tsara tantana.
Nitohy tamin’ny fanentanana sy fampiofanana momba ny andraikitra sy lalàna mikasika ny fitantanana ho an’ny Ben’ny Tanàna, mpanolotsaina ary mpitambola ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo.
Tao anatin’izany no nanentanana momba ny fanajana ny didy aman-dalana mahakasika ny fitantanam-bolam-panjakana, ny fanazavana momba ny andraikitrin’ny Fitsarana momba ny kaonty sy fitsarana ara-bola ary ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana sy ny fanazavana momba ny andraikitrin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly.
Nisy ihany koa ny fifanankalozan-kevitra sy fandraisana ireo hetahetan’ireo Ben’ny tanàna hanatsarana sy hanavaozana ny fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana sy ny Kaominina.