Ny 30 aprily 2025 lasa teo no tontosa tao Antsiranana ny fanehoana ny tatitra ampahibemaso nankinin’ny lalàna amin’ny Fitsarana ara-bola, izay miandraikitra ny fitsirihina ny fitantanam-bolan’ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy ireo orinasam-panjakana ary ireo sampan-draharaham-panjakana miankina aminy ao anatin’ny faritra DIANA sy SAVA tamin’ny taona 2023 sy 2024.
Nanatrika sy nisolo-tena, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, ny Tale Jeneralin’ny Fandaharan’asa sy Fampitaovana (DGPR), Andriamatoa RAVELOSON Aimé Gilbert. Teo ihany koa ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny.
Tsikaritra nandritrin’izany Fitsirihana izany ny mahakasika ny fitantanana ny vatsim-pianarana teny anivon’ny anjery manontolo, teo ihany koa ny resaka Asa fanjonoana an-dranomasina.
Ary nisy ihany koa teo amin’ny sehatrin’ny fitantanam-bolam-panjakana.
Nitohy avy hatrany, arakin’ny politikan’ny Fitsarana izay napetrak’Andriamatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, tamin’ny fanentanana sy fampiofanana, ireo Ben’ny Tanàna sy ireo mpiara-miasa akaiky, amin’ny fitantanana ny kaominina, indrindra ny ara-bola, mba hisian’ny fitantanana mahomby sy manara-dalàna, ary koa hisorohana ny fandikan-dalàna sy ny sazy mety aterak’izany. Tao anatin’izany ihany koa ny nampahafantarana ireo andraikitra sahanin’ny Fitsarana Ara-bola (TF), ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana (TA) ary nisy ny fandraisan’anjaran’ny solo-tena avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany izay tonga nanatrika tao ihany koa.
Tsara ny manamarika fa liana dia liana tokoa ireo mpandray anjara ary efa maty masoandro mihintsy vao nifarana ny fotoana.