22 juin 2025
« Ao koa ny amafazana an-tany lonaka, dia ireo mahaheno ny teny sy mandray azy ka mamokatra : ny iray telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny » Marka 4 : 20 (DIEM); izany no Soratra Masina nentina nozaraina tamin’ny fiombonam-bavaka izay noentina nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-190 taona (1835 – 2025) ny nahavitana printy ny Baiboly Malagasy voalohany sy faha-60 taona (1965-2025) niorenan’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy, izay notanterahana teny amin’ny CCI Ivato omaly Asabotsy 21 Jona 2025.
Ny fotoana dia notarihan’ny Mpitandrina no sady Tale Nationaly FMBM, Andriamatoa RABENJARISOLO Fabrice.
Nanatrika sy nisolo-tena ny Fitondram-panjakana sy ny Filoham-pirenena Hajaina, Andriamatoa Andry RAJOELINA, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.
Nandritra ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Minisitra dia natombony tamin’ny fizarana Tenin’Andriamanitra ny lahateniny izay hita ao amin’ny epistily nosoratan’ny Jaona 1 : 1 : « Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra » ; sy tao amin’ny bokin’ny Matio 24 :35 «Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona».
Andro lehibe tokoa ity andro ity ary manan-tantara tokoa ho an’ny Malagasy ary indrindra ho an’ny tenany hoy izy, ary izy dia an’isany ireo mpizara ny Soratra Masina sy Baiboly ka voninahitra lehibe ho azy ny fanantrehany izany fotoana izany.
Nanentana ny rehetra izy mba hijoro hatrany amin’ny fahitsiana ary koa mba tsy hanao kolikoly.
Nitondra teny fankasitrahana sy fisaorana feno ihany koa Andriamatoa Ministra ho an’ny Fitondram-panjakana nohon’ny fahafahana malalaka omen’ny fanjakana amin’ny fampielezana ny Baiboly sy ny Soratra Masina eto amin’ny firenentsika. Tena zava-dehibe izany hoy izy ho an’ny fanabeazana ara-panahy sy ny fanamafisana ny soatoavina maha-olona, ary maneho ny fanajana ny zon’ny olom-pirenena amin’ny finoana.
Niarahaba ihany koa ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy izy ary nankahery azy ireo amin’ny asa mbola hatao ao anatin’ny 60 taona maro mifandimby satria tokoa dia asa goavana sy masina izany manao fanapariahana ny Soratra Masina sy Baiboly izany.