TOBIM-PAMOKARANA ANJANAMASINA : MIAKATRA NY VOKATRY NY FAMBOLENA.
Zoma faha-02 Mey 2025, tanteraka ny fotoam-pijinjana ny vary teny amin’ny tobim-pamokaran’ny Fandraharahana ny Fonja teny Anjanamasina.
Voly vary tamina tany 1,80 ha no vokatra ka nahazoana 4,507 taonina na 54 gony. Mbola ao anatin’ny fotoana fijinjana amin’izao fotoana ka heritreretina hitombo io vokatra io.
Raha ny tarehimarika no jerena dia tsara nohon’ny tamin’ny herin-taona ny vokatra tamin’ity taona ity na dia vitsy aza ny rotsak’orana.
Tahaka ny isan-taona dia hiditra amin’ny voly avotra ny eny amin’ny Tobim-pamokarana aorianan’izao fijinjana izao.
Ny vokatra moa dia eo ambanin’ny fintantanan’ny Tale-paritrin’ny Fandraharahan’ny Fonja eto Analamanga ka ho zaraina amin’ireo voafonja eny Antanimora ireo vokatra ireo.
Tonga nijery teny an-toerana ny solo-tena avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja Analamanga.