
𝗦𝗘𝗛𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗜𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔.
𝑲𝒊𝒏𝒔𝒉𝒂𝒔𝒂, 𝑹𝑫𝑪 𝑪𝒐𝒏𝒈𝒐 – [29-31 𝒋𝒐𝒍𝒂𝒚 2025].
Manome voninahitra an’i Madagasikara ny atrik’asa iraisam-pirenena, izay nahakasika ny Fandraharahana ny fonja, notanterahin’ny MONUSCO (Mission de l’Organisation des Nations Unies pour la Stabilisation en République Démocratique du Congo), izay ratsana iray eo amin’ny fiahian’ny Firenena Mikambana, natao tany Kinshasa (Congo), ny 29 h@ 31 jolay 2025.
Ny tanjon’ny fihaonana dia ny hanamafisana ny rafitra sy fahaiza-mitantana eny anivon’ny fonja, manaraka sy manaja ny fenitra iraisam-pirenena, ho fanatsarana ny tontolon’ny fonja ao Congo sy eto Afrika.
Mpandraharahan’ny fonja efatra (04) mianadahy no nisolo tena an’i Madagasikara, nifampizara traikefa, tamin’ny alalan’ny Fitaleavana Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, ao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana.
Nandray anjara, nampitain-davitra ihany koa ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, Ramatoa VOLAZARA Sakina Mohamady, izay nanasongadina ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny resaka fandriam-pahalemana tarihin’ny Firenena Mikambana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Fitantanana ny Fonja, ao anatin’ny fanoloran-tena sy fahamatorana, ka nasongadiny fa ny manamboninahitra Malagasy dia miavaka amin’ny fahaiza-manao sy fanajana ny fenitra iraisam-pirenena.
Nifarana tamin’ny fizarana mari-pankasitrahana izany, ka ny mpandraharahan’ny fonja efa nahavita iraka mialoha, dia teto an-toerana no nataon’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja ny lanonam-panolorana.