
Tsara ny manamarika fa ny Filoham-pirenena Hajaina, Andriamatoa Andry RAJOELINA no sady Filoha vaovao ny vondrona SADC no nanendry an’ireo Mpikambana sasany ao amin’ny Governemanta, izay notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis niaraka tamin’ny Minisitry ny Fizahan-tany sy ny asa-tanana, Ramatoa DEWA Viviane ary ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Andriamatoa Max FONTAINE, hanontrona sy hanatitra ny Praiministra Hajaina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.
Nandritra ny fifanaovam-beloma dia nanolotra fanomezana ho fahatsiarovana ny fotoana fohy sy fiaraha-miasa soa niseho nandritra ny fihaonana ny Minisitry ny Fitsarana, sy ireo Minisitra niaraka taminy.
Nafana tokoa ny fifandraisana teo amin’ny roa tonta hanamafisana hatrany ny finiavana hanatsara ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.