
Ny 04 Aogositra 2025, dia nitsidika ny Minisiteran’ny Fitsarana ireo Solombavambahoaka voafidy : Andriamatoa RAHOLIJAONA Harson, (Rapporteur Général de l’Assemblée Nationale),
avy ao Tsiroanomandidy ; sy Andriamatoa Pety RAKOTONIAINA, voafidy avy ao Ikalamavony, ka nandray azy ireo am-panajana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.
Ankoatra ny fitsidihana araka ny fomba fifanajana, dia nifantoka tamin’ny dinik’asa sy fifanakalozan- kevitra ny fihaonana. Nambara tamin’izany ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasan’ny fahefana mpanao lalàna sy ny rafi-pitsarana, mba ho fanatsarana ny fifandraisan’ny Fitsarana amin’ny vahoaka.