Tamin’ny alahelo lehibe no nandrenesako ny fahalasanan’ny Papa Ray Masina, Papa François.
Tsaroako manokana ireo fihaonana taminy.
Nahakasika ny fon’olona maro ny fahatsoram-pony fa indrindra ny hafatra mifono fitiavana sy fihavanana napetrany .
Tamin’ny fitsidihany an’i Madagasikara dia nampivondrona ny vahoaka Malagasy tao anatin’ny finoana sy firaisam-po ary ny fanantenana izy .
Nitsodrano antsika sy ny firenentsika hiaina anaty fiadanam-po sy fahatonian-tsaina izy.
Hitoetra ho fahatsiarovana mandrakizay ao antsain’ny rehetra izany.
Ary ato an-tsaiko sy ato am-poko ihany koa.
Amin’izao andro manjombona ho an’ny mpino kristiana sy ny Eglizy katolika izao, dia miray fo amintsika rehetra ny tenako.
Handry am-piadanana anie ny fanahiny.