Nanamarika ny fanombohan’ny volana Aogositra 2025 eo amin’ny fianakaviamben’ny Fitsarana ny fanatanterahana ny tohin’ny fanadiovana faobe izay natao androany alakamisy 01 Aogositra 2025. Niainga avy teny amin’ny Kianjan’ny Maki Andohatapenaka no nanadio ka tonga hatrany amin’ny sampanan’Ambohitrimanjaka.

🫶🏻 Tao anatin’ny firaisan-kina tanteraka no nizoran’ny fanadiovana, izay niarahan’ireo rantsa-mangaika rehetra mandrafitra ny fianakaviamben’ny Fitsarana.

🌹 Nitondra ny teny fisaorana, nisolo tena ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera sy ny Talen’ny Kabinetra an’Andriamatoa Ministra ; ka nidera ny firaisan-kina avy tamin’ny mpiara-miasa rehetra.

🔥 Zava-dehibe ho antsika ny manana tanàna madio, ka efa anisan’ny fiaraha-mientana amin’ny fikarakarana ary fahavononana handray vahiny ny fanentanana amin’ny asa fanadiovana.

📢 Atao teny filamatra hatrany ny hoe : « Rehefa tsy mandoto dia efa mandray anjara amin’ny fanadiovana ».