Misaona ny fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Fitsarana satria dia nodimandry ny 20 aprily 2025 ny mpiara-miasa iray ato amin’ny Fandraharahana ny Fonja ao amin’ny « Groupe Volant d’Intervention Rapide » (GVIR), Tompokolahy RANDRIANARIMANGA Fanomezantsoarimanana noho ny lozam-pifamoivoizina nahazo azy.

⭕Tonga avy hatrany nijery ny razana tao amin’ny tranom-paty Anosy ny Tompon’andraikitra eto amin’ny Minisitera sy mpiara-miasa izay notarihan’ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitra sy ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja izay nisolo-tena ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ny andron’iny ihany.

➡️Ary tonga namangy kosa anio22 aprily 2025, nitondra teny fampiononana sy fankaherezana ho an’ny fianakaviana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.

◽Ny Mpiara-miasa rehetra dia miara-miombon’alahelo amin’ny fianakaviana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *