MANKANY AMIN’NY FIARAHA-MIASA STRATEJIKA HO AMIN’NY FAHALEOVANTENA ARA-TSAKAFO : FANASONIAVANA FIFANARAHANA TEO AMIN’NY MINISITERAN’NY FITSARANA SY NY SEKRETERAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA MISAHANA NY FAHALEOVANTENA ARA-TSAKAFO.

📌Tontosa ny 19 jona 2025, tao amin’ny Tranombokin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny fifanaovan-tsonia nanehoana sy nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, notarihin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, sy ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Ramatoa Tahian’ny Avo RAZANAMAHEFA.

➡️Ity fifanarahana fiaraha-miasa ity dia tafiditra ao anatin’ny ezaka iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ho fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara, indrindra eny anivon’ny Fonja. Tanjona amin’izany ny fanajariana sy fampiroboroboana ireo tobim-pamokarana an’ny fonja, izay hita fa manana velaran-tany sy loharanon-karena azo ampiasaina amin’ny fomba mahomby sy maharitra.

⭕Isan’ny fanamby lehibe atrehin’i Madagasikara amin’izao fotoana izao ny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra eny amin’ny fonja. Amin’ny alalan’ity fifanarahana ity dia nifanaiky ireo Ministera roa tonta ny hifampizara traikefa, ary hifanohana amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo voafonja amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny famokarana ara-tsakafo sy ny fanajariana ireo tany azo ambolena ao amin’ny Fonja.

🎤Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nanolotra fisaorana manokana ho an-dRamatoa Sekreteram-panjakana, Andriamatoa Minisitra, noho ny fahavononany sy ny fijeriny lalina tsy nanadino ireo voafonja, na dia samy manana ny antony nahatonga azy ireo any aza, satria rahalahy sy anabavy ihany izy ireo amin’ny maha olona.

Nisaotra manokana ihany koa ny Filohan’ny Repoblika hajaina, Andriamatoa Andry RAJOELINA, sy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian,ny tenany, nohon’ny fankatoavana sy fanohanana feno nomen’izy ireo ho fanatanterahana an’ity tetikasa manan-danja ity.

➡️Efa voafaritra mazava ireo tobim-pamokarana sivy (09) hanombohan’ny tetikasa, izay miparitaka amin’ny fitaleavam-paritrin’ny Fandraharahana miisa fito (07), dia ny any Anosiala sy Tsiafahy ho an’ny faritra Analamanga, Andilanomby ho an’ny Alaotra-Mangoro, Mahandraza ho an’ny Vakinankaratra, Analambaza ho an’ny Ihorombe, Ihadilanana sy Ambatofinandrahana ho an’ny Amoron’i Mania, Andranobevava ho an’ny Betsiboka, ary Tsivelezambingy Andapa ho an’ny faritra Sava. Ny karazam-boly kasaina hambolena amin’ireo toerana ireo dia ny vary, katsaka, mangahazo, tsaramaso ary voanjo, mifanaraka amin’ny toetrandro sy ny toe-tany eny amin’ireo toerana voakasika.

◽Amin’ny ankapobeny, ity fiaraha-miasa stratejika ity dia mari-pototra iray hafa entina mampifandray ny asa atao eo anivon’ny Fitsarana sy ny politikam-panjakana momba ny fahaleovantena ara-tsakafo, entina hanompoana ny olom-pirenena rehetra, eny fa na dia ireo voafetra zo mandritra ny fe-potoana amin’ny toeram-panarenana aza.