Mandalo rahona mainty ny Fianakaviamben’ny Fitsarana satria dia Nodimandry ny Sabotsy 26 Aprily 2025 lasa teo ny « Président de Chambre » eo anivon’ny Fitsarana Ambony Toliara, Itompokolahy RAKOTOARISON Bien-Aimé Rosyah Claudis.
Tonga avy hatrany nanatanteraka ny adidy sy namangy ary nitondra ny teny fankaherezana ho an’ny fianakaviana ny fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Fitsarana, izay notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, anio 28 Aprily 2025, teto Ambohimanambola.
Ny Fianakaviamben’ny Fitsarana dia miara miombon’alahelo ary mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana.