Lanonam-pitsarana nametrahana ny filoha voalohan’nny Fitsarana Ambony Mahajanga.

📌Notanterahina androany Zoma 02 Mey 2025 tao amin’ny Fitsarana Ambony Mahajanga ny lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Ambony vaovao, dia Andriamatoa RABEMANANJARA Barijaofetra Emmanuel, eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga.

⭐Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.

➡️Nambaran’ny Andriamatoa RABEMANANJARA Barijaofetra Emmanuel fa vonona hitondra ainga vao sy hanome lanja ny ady amin’ny kolikoly ary hametraka ny Fitsarana lavitrin’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola ary ny fanaparam-pahefana , fa indrindra hiezaka mba tsy hampivezivezy ny manan-draharaha matetika loatra satria rehefa ela vao mivoaka ny didy dia lasa tsy tony ny olona manana an’izany raharaha eny anivon’ny Fitsarana izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *