
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 17 Jona 2025, teny amin’ny « Le Centell Hotel » Antanimena, ny fiofanana mitohy ho an’ireo Mpitsara. Ny lohahevitra hijoroan’ity fiofanana ity moa dia ny hoe « Ny Fenitra iraisam-pirenena momba ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahazoana vaovao ary ny fiarovana ny mpanao gazety. »
Nanatrik’izany sady nanokatra ny lanonana tamin’ny fomba ofisialy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Ramatoa BELALAHY Hanitriniaina, nisolo-tena ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.
Nandritra ny fandraisam-pitenenan’dRamatoa Sekretera Jeneraly dia nambarany fa io lohahevitr’io no Zo fototra sady vato fehizoron’ny demokrasia marina, ka miankina betsaka amin’ny fahaiza-manaon’ny mpitsara amin’ny fomba fitsarany, amin’ny fanapahan-keviny ary ny fampanjakany ny rariny sy ny hitsiny izany. Nolazainy ihany koa fa tsy voafetra amin’ny fampiharana ara-bakitenin’ny lalàna fotsiny ny andraikitrin’ny Mpitsara fa izy ireo no mpiaro ny zo sy ny fahalalahan’ny olom-pirenena sady mpanelanelana tsy mitanila eo amin’ny fiaraha-monina ka tafiditra amin’izany indrindra izao fanofanana izao. Nambarany ihany koa fa ny tsy fahalalahan’ny mpanao gazety manao ny asan’ny tsara dia tsy resaka Zo fotsiny fa tena olana ara-pandrosoana.
Nankasitraka manokana ny UNESCO ihany ko izy tamin’ny fanatrehan’izy ireo an’izao fotoana manan-danja izao satria ity fikambanana ity dia mametraka mandrakariva ho laharam-pahamehana ny fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fiarovana ny mpanao gazety.
Farany dia nisaotra manokana ireo mpiara miasa rehetra amin’ny fanatontonsana izao fiofanana izao Ramatoa Sekretera Jeneraly indrindra ny Tale Jeneralin’ny Sekolim-pirenena manofana Mpitsara sy Mpiraki-draharaha nohon’ny fandraisany an-tànana ny fanatsarana ny fitsarana eto Madagasikara.