
NOTOLORAN’ANDRIAMATOA HAJAINA, FILOHAN’NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA ANDRY RAJOELINA MIVADY VARY TSINJO IREO VOAFONJA TAO AMIN’NY FONJABEN’NY MORONDAVA.
Sabotsy 06 septambra 2025 – Nandray ireo vary tsinjo ireo ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, niaraka tamin’ny Mpiara-miasa aminy, izay nitondrany teny fisaorana feno ho an’Andriamatoa Hajaina Filohan’ny Repoblika mivady, tsy nanadino hatrany ireo marefo eny anivon’ny Fonja rehefa misy hetsika ara-tsosialy toy izao.
Tonga nanolotra izany fanampiana izany Ramatoa Talen’ny Fitsinjovana ara-tsosialy eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika niaraka tamin’ireo Mpiara-miasa aminy, ary tsara ny manamarika fa vary miisa 150 gony no nanolotra tamin’izany.
Marika hita maso fa tena mitsinjo ny maha olona tokoa ny Filohan’ny Repoblika mivady satria dia tsy diso anjara hatrany ny eny anivon’ny Fonja isaky ny misy hetsika ara-tsosialy izay ataon’Andriamatoa Hajaina, Filohan’ny Repoblika mivady.