Fitsidihana tao amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana.

Androany 12 septambra 2025, dia nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, tao Faravohita, Andriamatoa RAZAFIMAHERY Todisoa Nandrianina, « Greffier en Chef » eo anivon’ny Filankevi-panjakana.

⚖️Ankoatra ny fitsidihana araka ny fomba fifanajana dia nifantoka tamin’ny asa, ny fanatsarana ny asa sy ny fahaiza-manao eo anivon’ny Filankevi-panjakana ny lahadinika.