FITSIDIHANA NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY SY NY FONJA AN’I SAINTE MARIE.

📌Tao aorian’i Fianarantsoa dia atao any Sainte Marie ny Filankevitry ny Minisitra.

➡️Omaly 09 jolay 2025, vantany vao nigadona tao Sainte Marie Andriamatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis dia nitsidika avy hatrany ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany sy ny Fonja ao an-toerana, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy.

⭕Nijery ifotony ny toe-draharaha izy ireo, anisan’izany ny toerana azo hanorenana fonja vaovao, ary avy eo dia nanao dinika niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fitsarana sy ny fonja. Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny fepetra iasana sy ny fiarovana ny zon’ny voafonja izany fivoriana izany, izay naharitra hatramin’ny hariva.