FITSIDIHANA ARAK’ASA MOMBA NY “TETIKASA LANDJA ».

📌Tonga nanao fitsidihana arak’asa tao amin’ Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, tao amin’ny toeram-piasany eto Faravohitra, ny 28 Aprily 2025 ny Solontenan’ny FANDAHARAN’ASAN’NY FIRENENA MIKAMBANA MOMBA NY FAMPANDROSOANA (PNUD) sy ny KAOMISARIA AMBONY NY ZON’OLOMBELONA (HCDH).

➡️Ny « Tetikasa LANDJA » izay vatsian’ny Firenena Mikambana vola no anton’ny fihaonana ka nandritra izany no nampahafantarana sy nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fitsaràna sy ny PNUD ary ny Haut Commissariat aux Droits de l’Homme.

⭕Isan’ny lohahevitra lehibe ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny fanatsaràna sy fifehezana ny fampiharana ny « dina », mba hifanaraka amin’ny Lalàna manankery eto Madagasikara sy ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny Zon’olombelona.

Araka izany dia hisy dinik’asa maromaro hotanterahina mba hanatratrarana ny tanjona niarahana napetraka dia ny fandriampahalemana sy ny ady amin’ny kolikoly.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *