Fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis teto Faravohitra, ny mpikambana avy ao amin’ny CMIL na ny Kaomisiaona Malagasy miandraikitra ny Informatika sy ny Fahalalahana ny Alatsinainy 04 Aogositra 2025.

⚖️ Tonga nanao Fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis teto Faravohitra, ny mpikambana avy ao amin’ny CMIL na ny Kaomisiaona Malagasy miandraikitra ny Informatika sy ny Fahalalahana ny Alatsinainy 04 Aogositra 2025.

🎯 Ny votoatin’ny fitsidihana dia nifantoka tamin’ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fametrahana ireo rantsa-mangaika sy ny andraikitra ho tanterahan’ny CMIL amin’ny fandrindrana sy fanaraha-maso ny fikirakirana ireo antontan-kevitra manokan’ny olom-pirenena (données personnelles), mifandray amin’ny lafiny fiainana manokana eto Madagasikara fa indrindra eo amin’ny sehatry ny Fitsarana.

☝🏻 Dingana lehibe hirosoan’ny Firenena Malagasy ara-pitantanana eo amin’ny lafiny nomerika ny fisian’ny CMIL (Commission Malagasy de l’Informatique et des Libertés), mba hanomezana antoka ny fahatomombanan’ny fahalalahana sy ny fanajana ny zon’olombelona.