Anio Alarobia 30 aprily 2025 dia tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis teto Faravohitra, Ramatoa RAJERISON Mampiandry Natanaela, izay mpitsara voafantina hisitraka fampiofanana any amin’ny “Ecole Nationale de la Magistrature” (ENM) any Bordeaux.
Ny votoatin’ny fitsidihana dia nampahafantatra sy nangatan-tsodrano avy amin’ny Andriamatoa Minisitra.
Tsy nisalasala Andriamatoa Minisitra nanohana feno izay fitsidihana izay ary nitso-drano azy satria dia rehareha ho an’i Madagasikara ary indrindra ho an’ny Fianakaviamben’ny Mpitsara izao nahavoafantina azy izao. Satria tokoa mantsy dia izy no solo-tenan’ny Mpitsara Malagasy ao anatin’ireo Mpitsara dimy aty amin’ny Faritra Afrika hisitraka ny fampiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny maha-mpitsara azy.
Amin’ny volana Jiona ho avy izao moa ny fampiofanana ho azy ireo.