
Ho tohin’ny fihaonana tamin’ny 10 febroary 2025 amin’ny ezaka fanatsarana ny kalitaon’ny asam-pitsarana dia nisy ny fandraisan’Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana , tao amin’ny toeram-piasany eny Faravohitra ny alatsinainy 05 Mey 2025 ny solon-tenan’ ireo Mpitsara efa ela nietezana mandrafitra ny CED na “Conseil en Ethique et Déontologie”, izay notarihan-dRtoa RATSIHAROVALA Lala, Ministry ny Fitsarana teo aloha sy Rtoa RAKOTOBE RALAMBONDRAINY Nelly, mitondra ny anaram-boninahitra Filoha voalohan’ny Fitsarana Tampony sy ny avy ao amin’ny MEDEM na “Mouvement pour l’ Ethique et la DEontologie de Madagascar” notarihan’ny Filohany Atoa HERY HARISON Jean Luc .
Tsiahivina fa ezaka imasoan’ny eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana ny fampiroboroboana ny fangaraharahana amin’ny fitantanana ny raharaham-pitsarana ka anisan’ny dingana hahafahana manatratra izany ny fampahafantarana ny besinimaro, indrindra ireo mpikirakira ny lalàna,ny mpianatra… ny fomba fitsarana, amin’ny alalan’ny fanapariahana ny tambatr’ireo didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana fandravana ka mahafeno ny fepetra maha-maodely fomba fitsarana azy na Recueil de jurisprudence.
Tontosa soamantsara ireo dingana lehibe fanatanterahana izany ka hiroso tsy ho ela amin’ny fanolorana sy fanapariahana azy amin’ny fomba ofisialy ny Ministeran’ny Fitsarana sy ireo mpiara-miasa nisalahy tamin’izany, taorian’ny fankatoavan’ny Governemanta, ka ny fanomanana izany no tena votoatin’ny fihaonana.