
Ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, dia manolotra fisaorana mitafotafo sy fankasitrahana feno ho an’ireo mpandray anjara rehetra tamin’ny Matso nandritra ny Fankalazana ny faha-65 Taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantena, izay notanterahana manerana an’i Madagasikara.
Tsy adino amin’izany ireo mpiara-miasa rehetra eny anivon’ny Fitsarana manerana ny Nosy, ary indrindra ihany koa ireo Mpandraharahan’ny Fonja isam-paritra, izay naneho fanoloran-tena sy fandraisana anjara mavitrika tamin’izany lanonana manan-danja izany.
Mirary fandrosoana sy fahombiazana hatrany ho an’ny tsirairay amin’ny fanatanterahana ny adidy sy andraikitra, eo anivon’ny asam-panjakana sy amin’ny fanompoam-bahoaka, satria “Ny Fitiavan-Tanindrazana no Mitarika Fandrosoana.”
Mankasitraka sy mankatelina indrindra, Tompoko.