Notontosaina androany 23 Aprily 2025 tao amin’ny Eglizy Katolika Romanina Antanimena (EKAR) Md François Xavier, ny Eokaristia Masina ho fisaorana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, noho ireo fahasoavana noraisin’ny Eglizy, indrindra ho an-tsika eto Madagasikara tamin’i Papa Ray Masina François ary fitondrana am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahiny. Ity fotoam-pivavahana masina ity dia nokarakarain’ny Fiangonana Katolika teto an-toerana amin’izao fotoana manan-danja eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana maneran-tany izao.
Nanatrika ity fotoam-pivavahana ity ny manam-pahefana ambony samihafa, anisan’izany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ho mariky ny fanajana sy firaisankina amin’ny Fiangonana Katolika.
Nentina am-bavaka sy niaraha-nisaona tamin’ny fo feno fankasitrahana ny Papa François, izay naneho fitiavana sy fahafoizana ho an’ny Fiangonana sy izao tontolo izao nandritra ny fanompoany amin’ny maha lehiben’ny Fiangonana azy. Araka ny hevitry ny paka dia tsy ny fahafatesana no tompon-teny farany fa ny fiainana hoy ny Kardinaly tao anaty ny lahateny nentiny.
Mitondra fanakaherezana ary mangataka mandrakariva ny fahasoavana sy fiadanana ho an’ny Fiangonana Katolika amin’ny fitohizan’ny asa fanompoana masina amin’ny maha vavolombelon’ny finoana.