Noho ny fangatahan’ny maro dia nahemotra hatramin’ny 29 Aogositra 2025 ny fotoana farany fametrahana sy handraisana ireo antotan-taratasy ilaina amin’ny fifaninana hidirana ho mpianatra ho mpitsara andiany 2024.
Mihemotra araka izany ihany koa ny fotoana hanantanterahana ny fanadinana izay ho atao ny 28-29-30-31 oktobra 2025 raha toa ka 26-27-28-29 aogositra 2025 ny kinasa teo aloha, mba ho fanajàna ny voalazan’ireo didim-pitondrana mifehy ny fifaninànana toa itony.