FIFANDRAISANA EO AMIN’NY MINISITERAN’NY FITSARÀNA SY NY BANKY IRAISAM-PIRENENA.

📌Antananarivo 23 jona 2025 ;

Noraisin’ Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsaràna tao amin’ny toeram-piasany eny Faravohitra, ny Solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, Andriamatoa ATOU SECK.

⭕Teny am-piandohana dia navoitran’ny Solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena ny toerana lehibe tazomin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Fitsarana eo amin’ny lafiny fampandrosoana ara-toekarena satria raha tsy mipetraka amin’ny tokony ho toerany sy manatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy ny Fitsarana dia tsy misy antoka ho an’ ny mpampiasa vola amin’ny fametrahana orinasa ary vokatr’izany dia tsy misy ny famoronana asa izay iarahan’ny rehetra mahafantatra fa antoka lehibe amin’ny fivoarana ara-toekarena.

➡️Niompana tamina teboka lehibe miisa telo ny fihaonana:

1- Ny mikasika ny fanavaozana tanteraka ny lalàna mifehy ny antoka na “refonte de la loi sur les sûretés” izay volavolan-dalàna ho entin’Andriamatoa Ministra eny anivon’ny rafitra mpanapaka isan-tsokajiny ;

2- Ny mahakasika ny Kaompania AIR MADAGASCAR izay anaty fanarenana ara-pitsarana ankehitriny;

3- Ny mikasika ny tetik’asa PRODIGY na PROjet de Gouvernance Digitale et de Gestion de l’Identité MalagasY izay handraisan’ny Ministeran’ny Fitsarana anjara, indrindra amin’ny fanavaozana ny ny fitantanana ny Fiankohonana sy ny Fanondroana ( Réforme de l’état-civil et de l’identité)

◽Nohazavain’Andriamatoa Minisitra ny dingana samihafa tsy maintsy izorana amin’ny fanatanterahana ny asa mifandraika amin’ireo teboka ireo.

✅Samy naneho ny fahavononany moa ny roa tonta ny amin’izay mety ho endrika fiaraha-miasa sy fanohanana ilaina mba hahatratrarana ny tanjona mitondra ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.