Fifamindram-pitantanana eo anivon’ny fitaleavana misahana ny fanavaozana ny fandraharana ny fonja.

📌Tontosa androany 25 aprily 2025 ny fifamamindram-pitantana teo amin’ny Tale misahana ny Fanavaozana ny Fandraharahana ny Fonja na Directeur des Reformes Pénitentiaire (DRP) teo aloha, Ramatoa VOLAZARA Sakina Mohamady sy ny Tale vaovao, Ramatoa TODIARIVELONA Marie Sandrine.

⭐Nanatrika ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, Ramatoa BELALAHY Hanitriniaina.

⭕Vonona amin’ny handraikitra vao noraisiny ny tale vaovao ary hanohy ireo fanatsarana izay napetraky ny teo aloha.

➡️Nandritra ny fandrasisam-pitenenan’ny Sekretera Jeneraly dia nitondra teny fiarahabana izy amin’izao fanendrena izao ary koa nirary soa azy amin’ny andraikitra vao ho sahaniny izao. Nampahafantariny fa lehibe ny andraikitra ary ny politika napetraky ny Minisitry ny Fitsarana hoy izy dia iarahana manantanteraka.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *