
Ho fanatratrarana ny tanjona « Madagasikara maitso », ho fanabeazana ny voafonja, sy ho fanatsarana ny sakafon’izy ireo, ary ho tohin’ny fidinana ifotony niarahan’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy tamin’ny 12 aogositra lasa teo mahakasika ny tetikasa fametrahana tanin-janakazo eny amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy, dia notanterahana ny 27 Aogosiftra 2025 ny fampiofanana ireo voafonja sy mpandraharahan’ny fonja eo anivon’ny Fitaleavan’ny Fampiroboroboana ny Vokatra eny amin’ny Tobim-pamokaran’ny Fonja (DPPCP) sy ny Fonjaben’ny Tsiafahy, izay notarihan’ny Talen’ny DPPCP sy ny Lehiben’ny Fonjan’i Tsiafahy (DirForce).
Niompana tamin’ny fametrahana sy fikarakarana tanin-janakazo, ary ny fikojakojana ireo zanakazo ny fiofanana tamin’izany. Manam-pahaizana manokana (Pepinieriste) avy ao amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy moa no nitondra ny fampiofanana, izay narahina fampiharana avy hatrany.
Nanatrika ny fampiofanana ihany koa ny ekipan’ny Fitaleavana misahana ny Fambolen-kazo (DRGPF) sy Ramatoa Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy Analamanga.
Amin’izao fotoana izao dia eo andalam-pamolavolana ny fifanarahana an-tsoratra mahakasika izany ny ministera roa tonta.