Manentana ny olom-pirenena tsirairay avy Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, amin’ny fanadiovana sy fikarakarana ny tanàna manodidina azy ireo. Tsy amin’ny fandraisana ny COI ihany no atao izany, fa indrindra ao anatin’ny fankalazana ny faha 65 Taona niverenan’ny Fahaleovan-tena.
Ny tanjona dia ny hananantsika tontolo madio sy tsara ho an’ny fiainan’ny rehetra.
Ny fahadiovana no anisan’ny antoka lehibe amin’ny fampandrosoana sy ny fahasalamam-bahoaka.
https://www.facebook.com/100066452443555/videos/1161328932403213