FANDALINANA SY FANDANIANA NY TOLON-DALÀNA MIKASIKA NY FANENJEHANA NY HALATR’OMBY

📌Nisy ny fivoriana natao tetsy amin’ny Lapan’ny Antenimieran-doholona tetsy Anosikely anio 5 Jona 2025, izay niarahana tamin’ireo vaomiera teknika avy eto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, izay notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis sy ny Solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy ao Antsohihy izay nandroso ny tolon-dalàna mikasika ny fanenjehana ny halatr’omby.

✅Arak’izany dia lany zato isan-jato teo anivon’ny Antenimieran-doholona io tolondalàna io.

➡️ Ary ny tanjona amin’izany dia ny hanamafisana ny sazy mihatra ho an’izay tafiditra anatin’izany tambazotra ny halatr’omby izany, fa indrindra ihany koa mba ho fiarovana ny tompon’omby amin’ny fananany.

🎤Tamin’ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Minisitra izay nitondra-tenin’ny Governemanta dia nanambara fa sitraky ny Governemanta raha ireo lalàna rehetra no hasiana fanavaozana avokoa mba hanafainganana ny raharaham-pitsarana momba ny heloka bevava. Ny tanjona eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana dia tsy hanafay ihany fa eo koa ny hanarenana ny olona, nohamafisiny ihany koa fa ny Fonjabe ao Ihosy dia natao ho asiana ireo mpangalatr’omby na avy aiza na avy aiza.

⭕Tontosa tamim-pirahalahina ny fotoana ary nisaorana manokana ny Solombavambahoaka izay nanolotra izao tolon-dalàna izao mba hanasoavana ny vahoaka Malagasy.