
Antananarivo, 01 Septambra 2025, dia notanterahana teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny fananganan-tsaina, izay notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, niaraka tamin’ireo lehiben’ny Fitsarana sy ireo mpiara-miasa rehetra.
Nandritra ny lahateniny, no nilazan’Andriamatoa Minisitra fa, endrika maneho ny fitiavan-tanindrazana sy fanoloran-tena ny fananganan-tsaina ka zava-dehibe ny ny fanatrehana izany, indrindra atao ao anatin’ny fahamendrehana.
Voaresaka tamin’ny fandraisam-pitenenany ihany koa ny nanotronany ny fianakaviana RATSIRAKA, tamin’ny fodiamandrin’Itompokovavy Céline RATSIRAKA, izay nasitrika tany Toamasina ny zoma lasa teo, ka nanehoana ny fihavanana samy Malagasy, ka anisany nanontrona izany Andriamatoa Minisitra,amin’ny maha mpikambana ao anatin’ny Governemanta ny tenany, izay isan’ny iraky ny Filoham-pirenena hajaina, Andry RAJOELINA, tonga nampahery ny fianakaviana.
Teo ihany ihany koa ny fitrotroana am-bavaka ny fianakavian’ireo rehetra niharam-boina tamin’ny filatsahana amin’ny elon’aina teny Arivonimamo, fa « sady maty ho an’ny tanindrazana izy ireo, no maty teo am-perin’asa ».
Fa nisongadina ihany koa ny fametrahana amin’ny toerany ny Tonia Mpampanoa Lalàna vaovao eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Morombe, Andriamatoa RAKOTOZAFY Rojo Rivoniaina, izay nanehoan’Andriamatoa Minisitra firariantsoa ho azy amin’ny fanatanterahana ny andraikiny.
Etsy an-kilany dia, niarahaba, naneho fisaorana sy fankasitrahana manokana ny ekipam-pirenena Malagasy Barea, Andriamatoa Minisitra, nohon’ny fanandratan’izy ireo avo an’i Madagasikara teo amin’ny sehatry ny baolina kitra.
Tao aorian’izany, dia niroso avy hatrany tamin’ny fivoriana niarahana tamin’ny « STAFF », izay efa fanao isakin’ny voalohany ny herinandro, izay notanterahana tao amin’ny Tranombokin’ny Minisitera.