
Androany faha 04 ny volana Aogositra 2025 no notanterahana teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra ny fananganan-tsaina, izay notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis niaraka tamin’ireo lehiben’ny Fitsarana sy ireo mpiara-miasa rehetra.
Nandritran’ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Minisitra dia naneho teboka vitsivitsy ny tenany toy ny nanatontosana ireo fanadiovana faobe in-droa mihantaona, koa nanolorany fisaorana feno ho an’ireo rehetra izay nandray anjara tamin’izany hetsika izany. Nomarihany fa efa ao anatin’ny fihaonam-ben’ny SADC isika amin’izao fotoana izao, ary nanomboka androany ireo atrik’asa maro samihafa.
Amin’ity herinandro ity kosa dia hotanterahana any Toamasina ny zaikaben’ny fikambanan’ny vehivavy ao anatin’ny fandraharahana ny fonja ; ary any Mahajanga ny lalao ara-panatanjahantena ASIEF, handraisan’ny Minisiteran’ny Fitsarana anjara, izay efa nitondrany tso-drano sy firariantsoa nandritran’ny fampisehoana ampahibemaso ireo fanamiana.
Nomarihany manokana tamin’ny lahateniny ny fisaorana ny fitondram-panjakana izay tarihan’ny Filoham-pirenena hajaina, Andriamatoa Andry RAJOELINA, tamin’ny fanomezana fiara roa tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa PRODIGY ho an’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ary mbola hisy ihany koa fiara sy moto ho tonga amin’ny taona 2026.
Taorian’izay dia notanterahana avy hatrany ny fivorian’ny « STAFF » izay efa fivoriana fanao mahazatra isakin’ny voalohan’ny herinandro.