Androany faha 05 ny volana Mey 2025, dia notanterahana teny amin’ny Fonjaben’Antanimora ny fananganan-tsaina, izay notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, niaraka tamin’ireo lehiben’ny Fitsarana sy ireo mpiara-miasa rehetra indrindra fa ireo Mpandraharahan’ny Fonja.
Nandritrin’ny fandraisam-pitenenanan’Andriamatoa Minisitra no nanehoany fisaorana sy fankasitrahana manokana ho an’ireo mpandraharan’ny Fonja nohon’ny ezaka manokana tamin’ny fanarahana ireo toromarika sy ny paik’ady mikasika ny ady amin’ny kolikoly, ary koa tsy adino amin’izany ny fandraisan’izy ireo anjara feno tamin’ny fanomanana sy ny fanadiovana tamin’ny fandraisana ny COI na ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina. Niarahaba manokana an’Andriamatoa RAJAONARISON Jean de Kopy izay voatendry ho Tale vaovao ny Fandraharahana ny Fonja na Directeur de l’Admnistration Pénitentiaire ihany koa izy, sady nirary azy hahavita be amin’ny andraikitra izay ho sahaniny. Namerina ny fiarahabana ihany koa ny tenany tamin’ny fametrahana ny Filoha Voalohany tao amin’ny Fitsarana Ambony Mahajanga, ary ny nahatontosa soa aman-tsara ny Tatitra Ampahibemaso Rejionaly nataon’ny Fitsarana Ara-bola sy ny fampiofanana ireo Ben’ny Tanàna manerana an’i Madagasikara. Nohamafisiny mandrakariva ny fiaraha-mientana, ny fahamarinana ary ny fitiavana ho fanatanterahana ny andraikitra amin-kalalahana sy fahavitrihana.
Namaranan’Andriamatoa Minisitra ny lahateniny dia ny hoe ¨Samia ho tahian’Andriamanitra, ary ho amin’ny fiadanana hatrany anie isika rehetra!¨
Toy ny mahazatra dia niroso avy hatrany tamin’ny fivorian’ny mpiara miasa aminy na ny « STAFF », Andriamatoa Ministra izay natao teto amin’ny Tranombokin’ny Minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra.