Fananganan-tsaina.

🔹 Androany faha 30 ny volana Jona 2025, dia notanterahana teny amin’ny Fonjaben’Antanimora ny fananganan-tsaina.Tonga nisolo-tena ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Ramatoa BELALAHY Hanitriniaina, niaraka tamin’ireo lehiben’ny Fitsarana sy ireo mpiara-miasa rehetra indrindra ireo Mpandraharahan’ny Fonja.

💐 Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Ramatoa Sekretera Jeneraly dia nanolotra fisaorana sy fankasitrahana ny rehetra ny tenany tamin’ny nahavitanan’ iny enim-bolana voalohany tamin’ ity taona ity iny, nohon’ ny ezaka sy ny fandraisana anjara mavitrika tamin’ireo zava-bita manan-danja teto amin’ny sehatrin’ny fitsarana.

⚙️ Nambarany fa nilamina sy tsara rindra tanteraka ny drafitra rehetra napetrakin’ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ireo fandraisana sy ny fanatontosana ireo hetsika lehibe sy niavaka teto amin’ny Firenena; toy ny Fihaonana an-Tampony faha-5 an’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI), izay nahatonga an’ny Madagasikara ho sehatra fifampidinihana sy fiaraha-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Teo ihany koa ny fandrafetana sy fanendrena ireo tompon’andraikitra vaovao, na teo anivon’ireo Fitsarana isany am-baratongany, na teo anivon’ny Ministera Foibe. Nisy ihany koa ny Fihaonana manokana sy fifampidinihana mahomby teo amin’ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka (Antenimieram-pirenena sy Antenimieran-doholona), indrindra tamin’ny fandinihana sy fanavaozana ireo tolo-dalàna hoentina hanatsarana ny fiaraha-monina Malagasy. Ary farany dia ny Fankalazana ny faha-65 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantenan’ny Madagasikara, izay fotoana nanamarihana ny maha izy antsika malagasy.

Nanamarika iny enim-bolana iny ihany koa hoy izy ny fahalanina tamin’ny fifidianana natao tao amin’ny Foiben’ny Firenena Mikambana tany Etazonia, ny Talen’ny Zon’olombelona sy ny Fifandraisana Iraisam-pirenena (DDRHI) ho mpikambana ao amin’ny « Komitin’ny Firenena Mikambana » misahana ny fiarovana ny mpiasa mpifindra monina sy ny fianakaviany.

🌐 Amin’izao fanatrehana izao enim-bolana faharoa izao hoy hatrany Ramatoa Sekretera Jeneraly dia hiatrika ny EPU na ny « Examen Périodique Universel» any Génève, ka mitarika ny Delegasionina dia ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, ary ao ihany koa ny fanomana handraisana ny Fihaonana an-tampony ny vondrona SADC, izay ho tanterahana eto Madagasikara, amin’ny volana Aogositra ho avy izao.

Nanolotra firarintsoa ho an’ny mpiara miasa rehetra ny tenany tamin’ny fahamaranany ny lahateniny.