FANAMPIANA HO AN’IREO TRABOINA VOKATRY NY FAHAMAIZANA TAO « TSENA SABOTSY »

Vary 31T, voamaina 3T, siramamy, savony ary paty no nozaraina ka traboina manodidina ny 2000 isa no efa nahazo izany.

Ny Mpitahiry ny Fitombokaseam-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, sady misolo toerana vonjy maika ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany no nitondra tenin’ny fitondram-panjakana sy ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta teto.