FAMIRAPIRATAN’I MADAGASIKARA EO ANIVON’NY SEHATRA IRAISAM-PIRENENA – VOKATSOA ARA- DIPLOMATIKA VAOVAO AZON’NY FIRENENA MALAGASY.

📌Mitohy hatrany ny fampiharana ny fomba fijery sy fomba fitantanana mampivelatra ny maha izy azy ireo Mpiasam-panjakana eo anivon’ny ny Ministeran’ny Fitsarana.

Notontosaina ny Talata faha 24 jona 2025 tao amin’ny Foiben’ny Firenena Mikambana tany New York, Etazonia ny fifidianana ireo Mpikambana miisa 7 ao amin’ny Komitin’ny Firenena Mikambana momba ny fiarovana ny mpiasa mpifindra monina sy ny fianakaviany.

➡️Voafidy nandritra izany Andriamatoa TOMBOHAVANA Fabien, Mpitsara, Tale misahana ny Zon’Olombelona sy ny Fifandraisana Iraisam-pirenena eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana, solontena natolotrin’ny Fanjakana Malagasy.

✅Isan’ny fandresena sy rehareha lehibe ho an’i Madagasikara sy ny Ministeran’ny Fitsarana ary ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ary ny Fianakaviamben’ny Fitsarana malagasy izao fahalaniany izao satria dia voalohany teo amin’ny tantaran’ny Firenena no nisy teratany malagasy tafiditra ka hisahana andraikitra ambony ao anatin’izao Komity izao, hatramin’izay niorenany ny taona 2003.

⭕Izao vokatra izao no azo dia nohon’ny ny haitarika izay hananan’Andriamatoa Filoham-pirenena Hajaina, Andry Rajoelina izay hita miatraika mivantana aty amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ary koa ny fiaraha-mientan’ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Ministry ny Raharaham-Bahiny amin’ny ezaka atao mba ho famirapiratan’i Madagasikara eny anivon’ireny fikambanana sy sehatra iraisam-pirenena ireny, arakin’ny vinan’ny Fitondram-Panjakana.

👉Etsy ankilany dia nanatsara ny vokatra ihany koa ny fifantenana ny olona natolotra ka niarahan’ny rehetra nanaiky fa Andriamatoa TOMBOHAVANA Fabien no natolotra hitondra ny Fanevan’i Madagasikara amin’ny fifaninanana satria, ankoatran’ny maha teknisiana mpahay lalàna azy, dia isan’ireo manam-pahaizana sangany amin’ny lafiny Zon’olombelona sy ny Fifandraisana Iraisam-pirenena eto Madagasikara ny tenany.

Izany haitao sy traikefany izany dia tsy nampitsanga-menatra ny Firenena manoloana ireo mpifaninana 8 izay efa manana traikefa goavana avokoa sady efa mpikambana teo aloha tao anatin’izany Komity izany.

⭕Ampahatsiahivina fa ny Komity mikasika ny mpiasa mpifindramonina sy ny fianakaviany dia rafitra anankiray eo anivon’ny Firenena Mikambana izay napetrakin’ny Fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ireo mpiasa mpifindra-monina sy ny fianakaviany, izay nosoniavin’i Madagasikara tamin’ny 24 septambra 2014 ary nankatoavina tamin’ny 13 may 2015.

Raha fintinina dia ireto manaraka ireto ny asan’ny Komity :

1)Manao ny fanadinana sy ny tombana ireo tatitrin’ny Fanjakana mahakasika ny fiarovana ny zon’ny Mpiasa mpifindra monina sy ny fianakaviany,

2) Mandroso soson-kevitra ho fanatsaràna ny zon’izy ireo

3) Mandrafitra ny fanamarihana ankapobeany amin’ny andinin’ny Fifanarahana iraisam-pirenena ho fanazavana sy fandikana ny votoatin’ny fepetra fototra

4) Mandray sy mandinika ireo fitarainana mikasika ny mety ho fanitsakitsahana ny zon’olombelona voafaritra ao amin’ilay Fifanarahana.

◽Marihina fa isan’ny Komity manan-danja indrindra amin’ireo Komity 10 momba ny Zon’olombelona eo anivon’ny Firenena mikambana ity Komity ity.

Ka ny fananan’i Madagasikara solontena ao anatin’izany dia manamafy ny fahavononan’ny Firenena amin’ny fanatsaràna ny Zon’olombelona sy ny fiaraha-miasany amin’ny Rafitrin’ny Firenena Mikambana.

⏺️Koa manoloana izany, ny Minisitry ny Fitsarana, Mpitahiry ny Fitombokasempanjakàna, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis sy ny fianakaviamben’ny Fitsarana dia faly miarahaba an’Andriamatoa TOMBOHAVANA Fabien, amin’izao nahavoafidy azy izao ary mirary soa ho azy mba hahavita be amin’ny andraikitra iraisam-pirenena izay hosahaniny.

Misaotra manokana ireo rehetra nandray anjara ka nahatongavana amin’izao dingana izao.