
Notanterahana ny alarobia 18 jona 2025, ny lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana tamin’ny toerany ny Tonia mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Mampikony, Ramatoa RABEARIVO Marie Claudia izay notarihan’ny Filoha Voalohany sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga.
Vonona tanteraka amin’ny andraikiny ny Tonia mpampanoa vaovao ary koa vonona hanatanteraka ny vina napetrak’Andriamatoa Minisitry ny Fitsarana dia ny politikan’ny Fitsarana manakaiky vahoaka fa indrindra ihany koa dia ho vain-doha-draharaha ny resaka ady amin’ny kolikoly.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ary nisolo-tena ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, ny Tale Jeneralin’ny Fandaharan’asa sy Fampitaovana, Andriamatoa RAVELOSON Aimé Gilbert, ary nanatrika izany ihany koa ireo tompon’andraikitra sy manam-pahefana ambony sivily sy miaramila isan-tsokajiny teny an-toerana.