
Fotoam-pivavahana teny amin’ny EKAR KATEDRALY Andohalo no nanohizan’ny Hery Fiaraovana sy Filaminana ny fankalazana ny faha 65 taona niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena Malagasy anio Alahady faha 22 jona 2025.
Nitarika ny fotoana tamin’izany ireo mpitondra fivavahana avy ao amin’ny fiangonana FFKM.
« Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampidinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara rehetra » (Hebreo 10: 24 ) io tenin’ny Soratra Masina io no noentina nifampizaràna tamin’ireo mpino marobe sy ireo Hery Fiarovana sy Filaminana amin’ ny adidy lehibe miandry ny tsirairay manoloana ny asa izay hiantsorohana eto amin’ny firenena.
Nanotrona ity fotoana natokana hitondrana am-bavaka ny Mpikambana ao amin’ny governemanta, izay nahitana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina Ramatoa RAZAFINJATO Aurélie. Niara niombom-bavaka tamin’ity fotoana ity ny Tafika, ny Polisimpirenena ary ny Zandarimariam-pirenena ; maro ihany koa ireo manam-pahefàna Sivily sy Miaramila izay tonga teny an-toerana ankoatran’ireo mpino kristiana izay nameno ny Katedraly Andohalo.