
Ao anatin’ny fankalazana manetriketrika ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara dia nanatanteraka Diaben’ny Fahaleovantena ireo mpiasam-panjakana sy solontenan’ny Andrim-panjakana rehetra manerana ny Nosy.
Nandray anjara feno tamin’izany hetsika izany ny Fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Fitsarana, izay notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, izay tonga maro nanolo-tena sy naneho firaisankina amin’izao andro natokana ho an’ny Fankalazana izao. Mankasitraka manokana ireo rehetra tonga nisolo tena ny Minisiteran’ny Fitsarana manerana an’i Madagasikara Andriamatoa Minisitra tamin’ny fandraisana anjara amim-pahavitrihana sy amim-pitiavana.
Niainga teny Ambohijatovo, teo amin’ny tsangambaton’ny Fahaleovantena ny Diabe, izay nihazo an’Anosy ary nifarana tamim-pomba manetriketrika teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Taorian’ity diabe ity dia nitohy tamin’ny lalao baolina kitra ara-pirahalahiana, teo amin’ireo mpikambana ao amin’ireo Andrim-panjakana sy ny Mpikambana ao amin’ny governemanta ka nifanandrinan’izy ireo tamin’ny FDS na ny mpampandry Fahalemana sy Filaminana eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, izay nandraisan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana anjara mavitrika amin’izao hetsika fankalazana izao.
Tsara marihana fa natomboka tamin’ny hetsika ara-kolontsaina ny Fankalazana, ary notohizana tamin’ny hetsika ara- panatanjahantena, ho endrika iray hanehoana ny maha-olona mirindra ara-tsaina sy ara-batana ny Malagasy amin’izao vanim-potoana manan-tantara izao.