
Nisokatra androany 29 aprily 2025 ary hitohy rahampitso ao amin’ny Espace Cordis Ambohidrapeto Itaosy ny atrik’asa izay nomanin’ny Ministeran’ny Fitsarana ho an’ireo Ben’ny tanàna, Lehiben’ny boriborintany, Mpitam-bola Kaominaly ao anatin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano izay notarihan’Andriamatoa Lehiben’ny Distrika.
Ben’ny tanàna sy Lehiben’ny boriborintany avy amin’ireo Kaominina miisa 26 no nisitraka izany androany.
Tanjon’izao atrik’asa izao ny anomezana ireo mpisehatra rehetra ny traikefa sy ny fahalalana ampy entin’izy ireo miatrika ny fe-potoam-piasana vaovao, indrindra mahakasika ny fitantanana mangarahara sy ny ady amin’ny kolikoly.
Tonga nanokatra izany Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, notronin’ireo mpiara-miasa aminy.
Nandritra ity andro voalohany ity dia nitondra famelabelarana nifandimby ny avy ao amin’ny ny Filankevi-panjakana, ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana, ary ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy ny Fanavaozana lalàna ao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.
Anisan’ny lohahevitra nifampizarana androany ny mikasika ny fifamatoran’ny olom-boafidy ifotony sy ny solontenam-panjakana amin’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana, ny hetra eny ifotony, ny fanajariana ny tanàna, ny tsenam-barom-panjakana, ny amin’ny maha fitantanan-draharaham-panjakana ny Kaominina ary indrindra ny mahakasika ny fiankohonana.
Taorian’izany dia nisy ny famaliana ireo fanontaniana napetrak’ireo mpanatrika.
Mbola hitohy rahampitso moa ity hetsika ity ka ny avy ao amin’ny Fitsarana ara-bola sy ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly ary ny avy ao amin’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy ny Fanavaozana lalàna indray no hamelabelatra lohahevitra maro samihafa amin’izany.