
Nitohy androany 13 jona 2025 tao amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena tetsy Tsimbazaza ny fihaonan’ireo Solombavambahoaka sy ny Governemanta izay notarihan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian.
Nanomboka tamin’ny 10 ora sy sasany teo ary tsy nifarana raha tsy efa alina ny fihaonana.
Betsaka ireo fanontaniana sy fanamarihana nentin’ireo Solombavambahoaka ka tao anatin’izany ny nikasika ny Minisiteran’ny Fitsarana izay nitondran’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis fanapim-panazavana nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Tao anatin’izany no nanazavany ny ambaratonga misy eo anivon’ny fitsarana rehefa mitondra raharaham-pitsarana ka tsy mahafa-po; ao arak’ izany ny mikasika Fitsarana Ambaratonga Voalohany, ny Fitsarana Ambony ary ny Fitsarana Fandravana. Nomarihany fa ny tenany dia tsy mijabaka velively amin’ny Fitsarana ary tsy mbola nanome baiko fa ny Fitsarana dia mahaleo-tena tanteraka ary ny Lalàna no arahin’izy ireo eo hampanatanterahana ny asany.
Nomarihany ihany koa fa mandray fitarainana hatrany ny Minisitera indrindra ny Minisitry ny Fitsarana mba hafahana mahafantatra ny fitarainan’ireo vahoaka, ary efa misy ireo tompon’andraikitra mijery manokana ireny fitarainana ireny eo anivon’ny ministera.
Novaliany tao ihany koa ireo fangatahana foto-drafitrasa, efa betsaka ireo natao ary mbola betsaka no ho hatsangana, ny amin’ity taona ity fotsiny dia efa betsaka ireo foto-drafitrasa miandry fitokanana sisa. Efa miezaka manakaiky hatrany ny vahoaka ny Fitsarana ary nisaorany ny Filoham-pirenena hajaina, Andriamatoa Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian, nijery manokana ny Minisiteran’ny Fitsarana nanome ireo foto-drafitrasa maro dia maro.
Nankasitraka ireo fanamarihana samihafa ny Minisitra izay noentin’ireo Solombavambahoaka ary nangataka fiaraha-miasa hatrany izy mba hifanampy sy hifanohana mba hampandrosoana ny asa indrindra amin’ny ezaka hiadiana amin’ny kolikoly.