𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗡’𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗔𝗡’𝗜 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗘𝗫𝗔𝗠𝗘𝗡 𝗣𝗘𝗥𝗜𝗢𝗗𝗜𝗤𝗨𝗘 𝗨𝗡𝗜𝗩𝗘𝗥𝗦𝗘𝗟” (𝗘𝗣𝗨).

⚖️ Tontosa anio 2 jolay 2025, tao Genève, Suisse, ny dingana famaranana ny “Examen Périodique Universel” (EPU), teo anivon’ny Filan-kevitrin’ny Zon’Olombelona ny fandaniana ny tatitr’i Madagasikara mikasika ny Zon’olombelona izay efa nodinihana tamin’ny 27 janoary 2025 lasa teo.

➡️ Ny Delegasiona Malagasy nanatrik’izany, nisolo tena ny Fanjakana Malagasy, dia notarihan’ Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ; izay notronin’Andriamatoa TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Oliva, Masoivohon’i Madagasikara izay mipetraka sy monina ao Suisse no sady Solontena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny Firenena Mikambana sy ny Rafitra manokana ao Genève sy Vienne ary Andriamatoa TOMBOHAVANA Fabien, Talen’ny Zon’Olombelona sy ny Fifandraisana Iraisampirenena eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.

💾 Nandritra ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Minisitra, dia nitondra ny hevitrin’ny Fanjakana Malagasy ny tenany amin’ny maha lehiben’ny Delegasionina azy, ka nohazavainy arak’izany ireo antony nanekena sy tsy nanekena ireo fanoroana voaray.

Nanamafy ihany koa ny tenany ny amin’ny fahavononan’i Madagasikara hanatsara ny fampiroboroboana sy fiarovana ny zon’olombelona.

Fotoana nampahafantarany ihany koa ireo fepetra goavana vaovao izay noraisin’ny Fitondram-panjakana Malagasy nandritrin’ny EPU (Examen Periodique Universel), ka isan’izany ny fandaniana ny Paik’Ady Nasionaly momba ny Ady amin’ny Kolikoly, ireo Lalàna mifandraika amin’ny Zon’olombelona toy ny Lalàna iadiana amin’ny fifindra-monina tsy ara-dalàna, Lalàna mikasika ny heloka eo amin’ny fananan-tany, Lalàna mikasika ny olona manana toe-tena varira, ny fanavaozana ireo mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo-tena momba ny Zon’olombelona, ny fametrahana ny Komity Malagasy momban’ny Informatika sy ny Fahalalahana, ny fanatsarana ny tontolon’ny fonja amin’ny alalan’ny fanorenana fonja izay miisa enina (06) mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena sy fametrahana fiaraha-miasa amin’ireo Minisitera misahana ny fanofanana arak’asa, ny Minisiteran’ny Mponina ary ny Sekretariam-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary farany dia ny fametrahana fitsarana manakaiky vahoaka amin’ny alalan’ny fanorenana Fitsarana Ambaratonga Voalohany izay miisa enina (06) ihany koa.

Nomarihany nandritra izany ihany koa ny dingan’asa ho tanterahana avy hatrany, mba ho fanamafisana ny fampiharana ireo fanoroana 204 neken’i Madagasikara. Raha tsiahivina dia 235 ny Fanoroana na « Recommandations » nataon’ireo Firenena 82 izay nandray anjara tamin’ny fanadinana an’i Madagasikara izay natao ny faha- 27 janoary 2025.

Taorian’ny fakan-kevitrin’ny Governemanta mikasika ireo fanoroana ireo dia toy izao ny hevitrin’ny Fanjakana Malagasy mikasika ireo Fanoroana ireo :

•⁠ ⁠204 dia nekena avokoa, satria mifanaraka tsara amin’ny lalàna manankery, sy ny politikam-panjakana ary ny soatoavina maha Malagasy ; ary misy ihany koa ireo efa andalam-panatanterahana.

•⁠ ⁠28 kosa nolavina satria tsapa fa mbola tsy mifanaraka amin’ny Lalana sy ny fomba amam-panao eto Madagasikara;

•⁠ ⁠03 farany nekena amin’ny ampahany.

⭐ Miisa 28 ireo Firenena sy Mpiara-miombon’antoka ary Fiarahamonim-pirenena nandray anjara mivantana, ka samy nisaotra ny Fanjakana Malagasy tamin’ireo fanekena ny ankabeazan’ny fanoroana ary koa nanampy fanoroana sy famporisihana amin’ny hanohizana ny asa.

🖇️ Marihana fa isan’ny rafitra manandanja eo anivon’ny Firenena Mikambana ny EPU satria io no fototra ifaharan’ny fomba fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny Firenena Mikambana sy ny Firenena tsirairay ary koa ny samy firenena.

🖇️ Isan’ny nanamarika ny famaranana ny dingan’ny EPU andiany faha 4 ity ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara tamin’ny alalan’ny fanatrehan’ny delegasiona Malagasy satria zava-dehibe amin’ny Filan-kevitrin’ny Zon’Olombelona izany fampisehoana fahavononana sy fahavitrihana tahaka izany.