
Androany 23 jona 2025, dia teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana eto Faravohitra no nanatanterahana ny fananganan-tsaina, izay notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis sy ireo mpiara miasa aminy rehetra; niaraka tamin’ireo lehiben’ny Fitsarana isan’ambaratongany avy.
Tao anatin’ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Minisitra no nanolorany fiarahabana ho an’ny mpiara-miasa rehetra, nahatratra indray izao herinandro vaovao izao, ary naneho fisaorana feno ho an’ny rehetra ihany koa izy, tamin’ny fanatanterahana ny asa rehetra tamin’ny antsakany sy andavany.
Amin’izao ankatoky ny asaramanitra izao dia niarahaba sahady ny mpiara-miasa rehetra ato amin’ny fianakaviamben’ny Fitsarana ny tenany ka nanolorany ny tenin’ny soratra masina izay hita ao amin’ny bokin’ny Jeremia : 29,7 manao hoe «Ary katsaho izay hiadanan’ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin’i Jehovah ho azy, fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo ».
Nisy arak’izany ny fanentanany ny hitondrana am-bavaka ny Firenena Malagasy mba hananan’ny vahoaka ao aminy fiadanana.
Mahakasika ny matso lehibe izay ho tanterahana ny 26 jona ho avy izao, dia miisa 330 ireo mpandraharahan’ny fonja handray anjara amin’izany.
Amin’izao herinandro vaovao izao dia nirary soa sy fiadanana ho an’ny mpiara-miasa rehetra Andriamatoa Minisitra.
Tao aorian’ny fotoana dia niroso avy hatrany tamin’ny fivorian’ny “STAFF”, izay efa fanaony isan-kerinandro, Andriamatoa Minisitra, hametrahana ireo toro-marika maro samihafa.