EKAR KATEDRALY ANDOHALO: FANOMPOAM-PIVAVAHANA HO FANKALAZANA NY FAHA 65-TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA.

✅Fotoam-pivavahana teny amin’ny EKAR KATEDRALY Andohalo no nanohizan’ny Hery Fiaraovana sy Filaminana ny fankalazana ny faha 65 taona niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena Malagasy anio Alahady faha 22 jona 2025.

➡️Nitarika ny fotoana tamin’izany ireo mpitondra fivavahana avy ao amin’ny fiangonana FFKM.

« Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampidinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara rehetra » (Hebreo 10: 24 ) io tenin’ny Soratra Masina io no noentina nifampizaràna tamin’ireo mpino marobe sy ireo Hery Fiarovana sy Filaminana amin’ ny adidy lehibe miandry ny tsirairay manoloana ny asa izay hiantsorohana eto amin’ny firenena.

➡️Nanotrona ity fotoana natokana hitondrana am-bavaka ny Mpikambana ao amin’ny governemanta, izay nahitana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina Ramatoa RAZAFINJATO Aurélie. Niara niombom-bavaka tamin’ity fotoana ity ny Tafika, ny Polisimpirenena ary ny Zandarimariam-pirenena ; maro ihany koa ireo manam-pahefàna Sivily sy Miaramila izay tonga teny an-toerana ankoatran’ireo mpino kristiana izay nameno ny Katedraly Andohalo.