
Tanteraka ny 20 Jona 2025 tao aminโny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Arivonimamo ny fampahafantarana aminโny fomba ofisialy ny paikโady sy ny fizotrin’ ny raharaham-pitsarana, ho ampahany aminโny fanatanterahana ny tanjonโny Fitsarana manakaiky vahoaka. Tafiditra ao anatinโizany ny fanazavana mahakasika ny ady madio sy ny ady heloka tsotra, ary koa ny famotorana aminโny sehatra ara-dalร na, izay notanterahana teo anatrehanโny Fampanoavana, ny Mpitsara mpanao famotorana ary ny mpitsara momba ny zaza tsy ampy taona.
Ankoatr’izany ihany koa dia nisy ihany koa ny fanehoana ny anjara andraikitrin’ny Mpiraki-draharaha sy ny Lehibeny, nanomboka aminโny fandraisana sy fanatanterahana ny raharaha ka hatraminโny famoahana ny didim-pitsarana. Nandray anjara mavitrika sy nanotroka taminโny ireo hetsika ireo ny solombavam-bahoaka voafidy avy ao aminโny DistrikanโArivonimamo, ireo Talem-paritra sy ny Lehibenโny sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny, ireo Benโny Tanร na miisa 23, ny mpitandro filaminana sy ny mpandraharahanโny fonja, ary ireo olom-pirenena liana aminโny raharaham-pitsarana.
Manamarika manokana ity hetsika ity, izay tarihin’ny Filohan’ny Fitsarana Ramatoa RAKOTONDRANOA Lalasoa Emma sy Tonia Mpampanoa Lalร na Ramatoa RAMANGASON Miarantsoa, ny fankalazana ny faha-25 taonanโny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao Arivonimamo, izay tanterahina aminโny endrika maro sy aminโny sehatra samihafa.
Ny 19 Jona lasa teo dia nisy ihany koa ny hetsika nahitana fampiharana mivaingana aminโny fanajana ny maha-olona. Tamin’ny fiaraha-miasan’ny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka sy ny Ministeranโny Fitsarana, taminโny alalanโny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Itasy sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Arivonimamo, ka dia tanteraka ny fandraisana andraikitra ho fikarakarana manokana ny fahasalamanโny olona voafonja lahy sy vavy. Tafiditra tao anatinโizany ny fanadiovana sy ny fanondrahana ny zaridainan’ny Fonja sy ny manodidina, ho fiarovana sy fanatsarana ny tontolo iainana sy ny fahasalamana ao anatiny.
Tanterahina ihany koa aminโny Kaominina Ambanivohitra sasany ny hetsika mitovitovy aminโizany, ho fanatontosana ny tanjona lehibe aminโny fanakaikezana ny Fitsarana aminโny vahoaka sy fanamafisana ny maha-olona ao anatinโny rafitra rehetra.