
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’Andriamatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, ny solotena avy amin’ny mpitsara andiany indray mihira, taona 2002 tao amin’ny Sekoly Mpanofana ho Mpitsara sy Mpirakidrahara (ENMG) anio maraina. Mankalaza ny faha 20 taona naha-mpitsara azy izy ireo amin’ity taona ity, ka manatanteraka hetsika vitsivitsy hatramin’ny faran’ny taona.
Voalohany amin’izany ny fanolorana fanomezana ho an’ny Foibe mitaiza ireo zaza nania eny Anjanamasina; fa eo ihany koa ireo hetsika ho an’ny Sekoly ENMG nanofana azy ireo.
Notanterahana izao fitsidihana izao mba ho fampahafantarana an’Andriamatoa Minisitra an’ireo hetsika maro samihafa izay ho kasaina tanterahana fa eo ihany koa ny mba hangatahana tso-drano avy amin’Andriamatoa Ministra amin’ny maha Ray aman-dreny azy eto anivon’ny Fitsarana.